Primature par © Madatsara

Fiarahabana tratry ny taona 2009 teny Iavoloha
Toy izao ny kabarin'nAtoa Praiministra Charles Rabemananjara tamin'ny Fiarahabana an'i Filoha Marc Ravalomanana mivady:  Fisaorana an’Andriamanitra no voalohan-teniko, nahatrarantsika mianakavy izao asaramanitra izao. Misaotra Azy isika satria noho ny fahasoavany sy ny fitahiany no naha toy izao antsika. Ary raha tsy nisy Azy, tsy tafavory eto isika mianakavy.Manaraka izany, ny antony ivoriantsika eto dia hifampiarahaba sy hifampirary soa. Hifampiarahaba satria samy velon’aina, nahavita soa amantsara ny taona 2008 ary nahatratra ny taona 2009.Koa tolorako ny arahaba voalohany ianao Andriamatoa Filohan’ny Repoblika sy Ramatoa Lalao Ravalomanana vadinao.Amin’ny fo feno fitiavana, no hiarahabana anareo ray amandreninay fa notahian-janahary, nahatratra ny taona vaovao.Ary amim-panajana lehibe no anolorako anareo sy ny ankohonanareo, ny firariantsoa, amin’ny anaran’ny governemanta manontolo.Hitondra soa sy fanambinana ho anareo anie ity taona vaovao ity. Ary ho ela fanapahana anie ianao, Andriamatoa Filoha, hiadanan’ny ambanilanitra.Manaraka izany dia miarahaba anareo Filohan’Andrim-Panjakana rehetra koa. Ianareo izay andribe tohan’ny trano, vavahady antoky ny vohitra, kiady aron’ny saha ary manda aron’ny tanàna. Miarahaba sady mirary soa ho antsika rehetra manatrika etoana sy ny vahoaka manerana ny Nosy. Ho ambini-java-manasatra isika mianakavy, tsy ho vaky vovonana fahavaratra, tsy ho vaky vilia fararano, ho ela velona ary mbola hifampiarahaba toy izao indray amin’ny taona 2010.Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Nataontsika taonan’ny asa iny 2008 iny. Mioty ny vokatry ny ezaka nataontsika isika, izay nahazoana fahombiazana amin’ny ankapobeny.Koa mamela ahy hanao jery todika vetivety ireo zava-bita, vokatry izay ezaka nataontsika izay. Amim-panetrentena no ilazana izany.Santionany ihany no hotanisaiko eto. Ohatra vitsivitsy, notsongaina tamin’ireo teny ifanomezana valo ao amin’ny Madagasikara Am-perinasa.Tsy ho lava taria aho ka manasa anareo hanaraka izany hatramin’ny farany.  Teny Ifanomezana 1 : Fitantanana tompon’andraikitra ·	Nohamafisina ny fandriampahalemana, koa :  -	Natsangana ny Filan-kevitra ambonin’ny Fiarovam-pirenena. Ary tafapetraka ny « concept de défense ». ·	Lafiny Fitsarana :-	Vita ny tranon’ny Fitsarana an-tampony. -	Nezahin’ny fanjakana ny fanamafisana sy fanatevenana ny ady amin’ny kolikoly.  Koa natsangana ary efa am-perin’asa ny Sampana malagasy iadiana amin’ny famotsiam-bola na SAMIFIN.  Tafapetraka koa ny sampan’ny BIANCO any Toliara sy Antsiranana. ·	Lafiny fanapariaham-pahefana :-	Nosantarina tamin’iny taona lasa iny ny fifaninànana kôminina mendrika. Nahafa-po ny vokatra azo. -	Ben’ny tanàna miisa1549 no nomena fiofanana mikasika ny: +	Fahaiza-mitantana na leadership sy ny Fitantanan-draharaha ary momba ny teti-bola  -	Vita sonia ny famatsiam-bola momba ny Fonds de Développement Local mitentina 120 tapitrisa dôlara, izay hanampy betsaka ny kôminina amin’ny fanatanterahana ireo fandaharan’asa eny ifotony ary hampiasaina manomboka amin’ity volana janoary ity.  Teny Ifanomezana 2 : Fotodrafitrasa mifandray 1.	ASA VAVENTY-	Nanamora ny famoaham-bokatry ny tantsaha sy ny fitaterana olona ny fahavitan’ ny làlam-pirenena faha–enina, mampitohy an’i Port Bergé, Antsohihy sy Ambanja izay mirefy 320 Km. -	Bacs vaovao miisa 30 no tafapetraka ary efa am-perinasa tanteraka ankehitriny. 2.	FITATERANA-	Mizotra tsara ny asa fanitarana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato sy ny fanajariana ny faritra fitobian’ny fiarakodia (parking).-	Nosokafana indray ny Canal des Pangalanes mampitohy any Toamasina sy Mahanoro mirefy 230km hitanterana olona sy entana. 3. PAOSITRA SY FIFANDRAISANDAVITRA-	Nahafa-po ny vokatra teo amin’ny fandaharan’asa fametrahana ny Backbone national.  4. ANGOVO-	Vita ary efa am-perinasa ny Centrale hydroélectrique SAHANIVOTRY 15MW.  -	Efa mandeha ireo Centrales thermiques ary groupes miisa 95 no efa notsinjaraina any amin’ny faritra. Mbola mitohy ny ezaka fanapariahana.  5. RANO FISOTRO MADIO-	Najoro ny Ministeran’ny rano ary efa am-perin’asa.Mitohy ny ezaka amin’ny fanamorana ny fahazoana rano any amin’ireo faritra tena sahirana. Noho izany :-	Tafapetraka ny Komity mpitantana rano tany amin’ny faritra maro ka Vovo miisa 2600 no vita  raha 1200 no tanjona  (lasa roa avo heny).  Teny Ifanomezana 3 :  Fanovana ny fanabeazana -	CISCO 20, manerana ny faritra 22 no nofidina hanombohana  amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana ny rafi-pampianarana fototra, izay nohalavaina ho 7 taona.  -	Fampianarana ambaratonga faharoa : efitrano fianarana 22 no vita amin’ny 50 nokasaina, ao anatin’ilay ezaka fanorenana “collège d’ excellence”.  -	Raha ny fampianarana ambony no asian-teny dia efa nivoaka ny didim-panjakana momba ny fandaminana anivon’ny oniversitem-panjakana sy ny didim-panjakana momba ny rafi-pampianarana LMD. Teny Ifanomezana 4 : Fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ·	Nandalo krizy ara-tsakafo ny firenena maro tamin’iny taona lasa iny. Nandray fepetra avy hatrany ny fitondram-panjakana malagasy nanoloana izany ary navadintsika ho fanoitran’ny fampandrosoana izany krizy izany. Koa :  -	Nohamafisina ny fanentanana ny tantsaha amin’ny fanaovana voly avotra : 150 000 hectares ny velaran-tany nambolena vary- voly avotra, manerana ny faritra 22. Ka nahazoana vary milanja maherin’ny 4 900 000 tonnes ny fitambaran’ny voka-bary (taom-pambolena 2007-2008) sy ny voka-bary voly avotra 2008.  -	Notohanana ihany koa ny tantsaha tamin’ny fahazoana zezika, izay nomena amin’ny antsasabidin’ny tokony hividianana azy, nandritra ny fotoan’ny maitso ahitra : zezika ôrganika 11 600 tonnes sy zezika NPK 4200 tonnes no voazara. -	Fifaninanana Voly Vary taona 2008: nahafa-po ny vokatra azo satria 847 amin’ireo kandida mpifaninana no nahazo vokabary mihoatra ny 6 taonina / Isan’hekitara. Ireo kandida 03 teo amin’ny sehatra nasiônaly dia samy nahazo vokabary mihoatry ny 12 taonina isan’hekitara avokoa. ·	Nohamoraina ny fahafahan’ny tantsaha mahazo famatsiam-bola, ary nezahina nitarina any amin’ireo faritra tena mamokatra ka nahatratra 50 tapitrisa ariary eo ho eo ny vola nampindramina teo amin’ny sehatry ny fambolena.·	Ho fiarovana ny fiompiana omby dia tafatsangana ny valabe voalohany, any amin’ny faritry Ihorombe, izay mirefy 3 754 ha. ·	Mikasika ny jono: 119 250 tonnes ny vokatra azo raha 150 000 tonnes no nokendrena.  Teny Ifanomezana 5 : Fahasalamana - fandrindrampahaterahana ary ady amin’ny VIH/SIDA ·	Ho fitsinjovana bebe kokoa ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza sy ho fandrisihana ny reny bevohoka hanatona tobim-pahasalama dia nanapa-kevitra ny fanjakana ka hatao maimaimpoana tsy andoavam-bola ny fiterahana sy ny fandidiana (cesarienne) any amin’ny hôpitalim-panjakana.·	Voatazona tsy hitombo ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina Vih/Sida vokatr’ireo hetsika telo lehibe natao, ka anisan’izany ny fanoroana hevitra sy fanaovana fitiliana an-tsitrapo, tany amin’ny CSB (I sy II) 742 raha CSB 750 no nokendrena. ·	Nahazo torohevitra nanatsarana ny fikarakarana sy fanomanana sakafo feno ara-pahasalamana ny tokantrano maro, tamin’ny alalan’ireo toby fanjarian-tsakafo miisa 5 550 am-perinasa manerana ny Nosy. Ary nihoatra lavitra ny tanjona nokendrena tamin’iny taona lasa iny, ny ankizy nahazo tohana ara-tsakafo.  Teny Ifanomezana 6 : Fitomboana lehibe eo amin’ny toekarena·	Tarehimarika ankapobe : -	Tombanana ho 7,1% ny fitombon’ny toekarena tamin’ny taona 2008 raha 6,3% tamin’ny 2007.  -	36,0% ny Taux d’investissement na fampiasam-bola, raha 33,9%ny tanjona ao amin’ny PIB.  -	9,4% ny fitombon’ny vidimpiainana raha 7% no tanjona. Midika izany fa misy ezaka lehibe mbola tokony hataontsika eo amin’io lafiny io, na dia azo heverina ho tsy dia ratsy loatra aza io tarehimarika io noho ny toe-javatra iraisam-pirenena iaraha-mahalala. -	4,5% n’ ny harinkarena faobe ny déficit budgétaire na tsy fifandanjan’ny vola miditra sy mivoaka eo amin’ny volam-panjakana.  -	Ary 12,5% ny harinkarena faobe ny taux de pression fiscale na tahan’ny hetra voaangona. Izany hoe nihoatry ny tanjona nokendrena tao amin’ny PGE 2008 izay 11,6%.  ·	Hahafahantsika misintona bebe kokoa ireo mpampiasa vola amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ho tonga eto amintsika, ny fahavitan’ ny fanavaozana ny sarintany momba ny toe-tany sy ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara.  ·	Fampiroboroboana ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny fizahantany :  -	139,57 tapitrisa dts ny vola niditra teo amin’ny sehatry ny fizahantany.  Teny Ifanomezana 7 :  Kolokoloina ny tontolo iainana·	Tafakatra 4 750 000 ha no valan-javaboahary voaaro, raha toa ka hampakatra azy ho 4 500.000 ha no tanjona, koa dia nihoarana lavitra izany io tanjona io raha ny vokatra azo no jerana.·	 Tafakatra 31 453 ha ny velaran-tany voavoly hazo raha 25 000ha no novinavinaina. Mitohy hatrany anefa ny fanarahamaso ireo hazo voavoly ireo, mba tena ho zary reninkazo any aoriana. Teny Ifanomezana 8 :  Firaisankinam-pirenena·	Tsara fiomanana amin’ny fiatrehana sy fandraisana andraikitra amin’ny loza voajanahary mety hiseho, ny mponina sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ireo mpiara-miombon’antoka, satria : -	Vita ary efa azo ampiharina avy hatrany, ny drafitra hiarovana amin’ny loza voajanahary (Plan de contingence), drafitra napetraky ny Governemanta sy ny mpiara-miombon’antoka izy ity. -	Ary faritra 20 no efa nametrahana sakafo sy fitaovana hiatrehana vonjimaika, ny loza voajanahary.·	Voaentana amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny maha olom-pirenena ny tanora malagasy, koa :  -	Filan-kevitry ny tanora miisa 120 any anivon’ny kôminina no tafatsangana manerana ny faritra 22.·	Nandray andraikitra ny vehivavy ao anatin’ny fampiroboroboana ny mira lenta, ka Faritra 11 no nahatafatsangana ny biraon’ireo vehivavy mpitarika (femmes leaders), izay efa samy manana ny sata mifehy azy sy ny drafitr’asa hampidiram-bola.   Tompokolahy sy Tompokovavy,  Izay sy izay àry ny santionan’ny zava-bita tamin’iny taona 2008 iny.Toy ilay namboly akondro isika, ka sady mialokaloka ny raviny no mihinana ny voany, ankehitriny.Isika rehetra, izay sady mpandray anjara amin’ny asa fampandrosoana, no mpahazo tombontsoa amin’izany.Isaorana manokana ny vahoaka mpamokatra satria izy ireo no tena anton’ny fahombiazana.Ireny no efa, dia tao ihany koa ny fifanomezan-tànana avy amin’ireo mpiaramiombon’antoka amintsika ary isaorako azy ireo, eram-po eran-tsaina koa izany.Voaporofo indray manko tamin’iny taona 2008 iny, fa matoky an’i Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka. Nahatsapana izany, ilay fihaonana an-databatra boribory (Table Ronde des Partenaires), niarahan’ny mpiara-miombon’antoka rehetra amin’i Madagasikara. Fihaonana izay nandinihana ny amin’ny fanatanterahana ny Madagasikara Am-Perin’asa na ny MAP.  Efa tafantsangana rahateo ny Sekretaria Teknika misahana ny fandrindrana ireo fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’ antoka, izay eo ambany fiahian’ny Primature. Anisan’ny andraikitra sahaniny, ny hahazoana fahombiazana bebe kokoa, amin’ireo fanampiana ho fampandrosoana an’i Madagasikara.Raha fintinina dia samy nisiki-ponitra isika rehetra, nilofo araka izay tandrify antsika tsirairay. Porofon’izany:·	Nihatsara ny voka-panadinana ara-panjakana:  -	88417no afaka BEPC tamin’ireo mpiadina 183612 (49,83%) raha 57228 no afaka tamin’ny taona 2007 tamin’ny mpiadina 149549 (38,27%). -	Toy izany koa ny voka-panadinana Baccalauréat : 43,7% ny tahan’ny afa-panadinana raha 38,9% tamin’ny taona 2007.  ·	Nitombo ny vokatry ny tantsaha: maherin’ny 4 900 000 tonnes ny fitambaran’ny voka-bary (taom-pambolena 2007-2008 sy ny vary voly avotra 2008). Ary efa vinavinaina sahady ny hanondranantsika vary (riz ordinaire) any ivelany manomboka amin’ity taona 2009 ity.Tsy afa-miala amin’ny zava-misy maneran-tany anefa isika eto Madagasikara.  Efa nandray fepetra isika, manoloana ny krizy iraisam-pirenena ary nahafahantsika nifehy azy ka tsy dia nampisy fiantraikany loatra teo amin’ny fiainan’ny mponina izany krizy izany. Na dia izany aza dia:·	mbola ilaina ny hanamafisantsika ny ezaka, hitazonana ny vidim-piainana tsy hiakatra,·	ilaina ny fampitomboana ny asa. Ilaina noho izany ny fampirisihana ny fandraharahàna, indrindra ny fampirisihana ny fandraharahàna bitika sy madinika ary salantsalany. Samy efa ezahintsika atao izany rehetra izany.Hanatanterahantsika dingana lehibe eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena,  ity 2009 ity.Hampiantrano ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina isika amin’ny volana jolay ho avy izao:·	Hanara-maso antsika izao tontolo izao,·	Hitsara ny fahafahantsika mampiantrano sy mitantana fivoriana goavana toy izany.Tsy an’ny fanjakana irery fa antsika jiaby, ny antoka hampahomby ny fandraisantsika io fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina io. Satria sehatra iray anehoantsika ny maha izy antsika Malagasy, izany.Alao hery àry! Aoka isika rehetra, hahefa bebe kokoa amin’ny fampivoarana ny firenena. Ka :·	hisikina fanantenana,·	hitafy fanambinana,·	hisalotra fahombiazana!mandritra ity taona vaovao ity. Soava taona isika mianakavy !
Fils RSS fournis par Madatsara.com

La BAD soutient le MAP
« La Banque Africaine de Développement continue au développement financier du pays et à soutenir le MAP ». C’est en ces termes que l’administrateur de la BAD, BENALLEGUE ABDELHAK a introduit son entretien avec le Premier Ministre Charles Rabemananjara, ce matin au Palais de Mahazoarivo, tout en rapportant les salutations de son président, Donald KABERUKA. En visite pour quelques jours à Madagascar, l’administrateur du groupe de la BAD était accompagné d’une forte délégation composée de Sylvie Condé, Représentante Résidente à Madagascar, de José Rajoelison, Conseiller, et de quelques collaborateurs.Les discussions ont porté sur les activités de la BAD, dont le portefeuille actif s’élève actuellement sur un montant net de 332,83 millions d’USD, avec 12 projets en cours. Plusieurs secteurs sont touchés par ces activités, dont l’Eau et l’Assainissement (25%), le multi-secteur (28%), les Transports (14%), le social (13%) et l’Agriculture (20%).La BAD gère également 3 financements du fonds de l’OPEP, 2 financements bilatéraux et un prêt du secteur privé. Ce dernier est le projet minier d’Ambatovy pour un montant de 150 millions d’USD sur un coût total de 3 milliards d’USD et ayant pour objectif la production de nickel, de cobalt et de sulfate d’ammoniac. Pour le programme d’intervention 2008-2010, le total sur le FAD XI est de 156,2 millions UC comportant des opérations déjà approuvées concernant l’appui budgétaire et la Bas-Mangoky. Les autres opérations sont encore en étude.
Fils RSS fournis par Madatsara.com

Le Premier Ministre à lHôpital Befelatanana
Après la dernière visite du Président de la République, Marc Ravalomanana à l’Hôpital Befelatanana, une équipe gouvernementale dirigée par le Premier Ministre Charles Rabemananjara s’est rendue sur les lieux afin de mettre au point l’opération d’assainissement.Une visite des lieux a été effectuée par cette équipe gouvernementale afin que les commissions de redressement et de suivi qui ont été mises en place puissent travailler dans les normes.  Ainsi, des ministres et des hauts responsables du département de la santé ont été nommés pour prendre les responsabilités dans divers secteurs comme l’Environnement, les infrastructures, l’Eau, l’Electricité, la Communication et les Ressources humaines. « Il faut obtenir des résultats positifs et améliorer les soins aux malades » a déclaré le Premier Ministre Charles Rabemananjara devant les membres des commissions. L’hôpital Befelatanana sera, donc, l’hôpital pilote pour ce genre d’assainissement qui sera effectué dans toutes les régions. A cette occasion, le Président de la République a offert 200 millions d’Ariary pour l’achat des matériels dans cette mobilisation à caractère social.
Fils RSS fournis par Madatsara.com

La sécurité en Afrique avec les Etats-Unis
Le Premier Ministre Charles Rabemananjara assisté par le Colonel Jean Rakotomalala du BNGRC, a reçu en audience, une délégation militaire des Etats-Unis conduite par SEM l’Ambassadeur NIELS MARQUARDT. IL s’agit du Général William (Kip) Ward de l’ AFRICOM (Commandant de l’Africa Command) et de son staff. Les discussions ont porté sur les relations militaires entre les Etats-Unis et Madagascar en matière de sécurité, tout en mettant au point les objectifs visés à travers cette coopération.Maintenant, il ne reste plus qu’un seul commandement  de l’AFRICOM en Afrique, dirigé par le Général William. Avant, il y avait trois sections. Les Etats-Unis sont toujours prêts à soutenir le programme du gouvernement malgache en matière de sécurité et de développement. Une assistance sur la tenue du prochain sommet africain à Madagascar est en vue.  ______________________________  Noraisin’ny Praiministra Charles Rabemananjara ny delegasiona amerikanina notarihin’ny Ambasadaoro Niels Marquardt ary nahitana an’i Generaly William Ward, Komandin’ny tobim-paritra ara-miaramila (Centre de Commandement) amerikanina aty Afrika.Nodinihina tamin’izany ny fomba rehetra hitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana aty Afrika ary nasongadina ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Etazonia sy Madagasikara. Ankoatr’izay, dia hanampy an’i Madagasikara i Etazonia, amin’ny fitandroana ny filaminana mikasika ny fihaonana an-tampon’ny vondrona afrikanina izay hatao eto amintsika amin’ity taona ity.
Fils RSS fournis par Madatsara.com

Teny Ivato ny Governemanta
Manara-maso sy mijery akaiky ny fizotry ny asa rehetra amin’ireo fotodrafitrasa handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina ny fitondram-panjakana.Nijery ifotony ireo fotodrafitrasa ireo, teny Ivato androany maraina, ny Praiminisitra Charles Rabemananjara. Niaraka taminy teny an-toerana ny Minisitra telo mirahalahy ao amin’ny Governemanta (Minisitry ny fitaterana, Minisitry ny Asa Vaventy, Minisitry ny Fanajariana ny tany), ary olom-boafidy samihafa. Nojerena akaiky tamin’izany ny fizotry ny asa fanamboarana ireo villas 54 handraisana ireo Filoham-panjakana, nojerena ihany koa ilay hôtely kintana 5 sy ny asa fanitarana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato.Araky ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny orinasa mpanatanteraka ny asa dia alohan’ny faran’ny volana mai izao no ho vita ireo villas 54, ary ezahina ho vita amin’io alohan’ny faran’ny volana mai io koa ireo fotodrafitrasa hafa nojerena androany maraina.Tsy maintsy atao ary tsy maintsy tanteraka ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina, hoy ny Praiminisitra. Efa vonona amin’izay fikarakarana rehetra mety hilaina ny fanjakana. Hampiharina sy hampiasaina manomboka amin’io fihaonana an-tampony io ny ny fitaovana sy ny fomba fitandroana ny filaminana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, any amin’ireo toerana rehetra mahakasika ity fivoriana ity. Ary efa misy fiofanana omena ireo tompon’andraikitra samihafa sy ny mpiasa hitantana sy hanatanteraka ny asa rehetra eny amin’ireny fotodrafitrasa ireny.Noho izany,Anisan’ny nasongadin’ny Praiminisitra tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, tamin’ny famaranana ny fitsidihana teny Ivato, fa fomba fiasa vaovao ataon’ny Governemanta ny fidinana ifotony, toy izao, amin’ny mpaha mpanatanteraka azy. Fidinana ifotony izay tsy hijanona eto Antananarivo ihany fa hoezahina hitarina any anivon’ny Faritra ary hijerena ny zavamisy, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra sy olom-boafidy isan-tsokajiny.Nambaran’ny Praiminisitra Charles Rabemananjara ihany koa fa ho fampihenana ny fahasahiranan’ny vahoaka malagasy dia efa nisy ny andraikitra noraisin’ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana ka tafiditra amin’izany ny fanarenana ny hôpitalin’ny Befelatànana amin’izao fotoana izao izay mbola hitarina amin’ny Hôpitaly hafa, sy ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny tanamaro (HIMO). ________________  Sous le conduite du Premier ministre Charles Rabemananjara, le Gouvernement représenté par quelques ministres, était ce matin à Ivato pour voir de près les avancements des travaux et des infrastructures en vue du prochain sommet de l’Union Africaine.Ainsi, une visite a été effectuée au sein des 54 villas présidentiels et aussi sur le site hôtelier de 5 étoiles et de l’aéroport international d’Ivato. D’après les constructeurs, les travaux seront prêts avant la fin du mois de mai 2009.Pour sa part, le Premier ministre a déclaré que « ce sommet africain devrait se tenir coûte que coûte et dans les normes internationales ». Tout est fin prêt pour recevoir nos hôtes, soit au niveau de la sécurité, soit au niveau des infrastructures.D’autre part, le gouvernement adopte un nouveau plan de travail en mettant l’accent sur le suivi des actions. Le président Marc Ravalomanana a donné l’exemple en soutenant financièrement la réhabilitation de l’hôpital Befelatanana. Le Premier ministre a ajouté que les mêmes actions seront effectuées dans les autres sites hospitaliers des régions et prochainement à l’HJRA. Enfin, le système HIMO (Haute intensité de main d’œuvre) sera mis en place partout afin que la population puisse en bénéficier des avantages.
Fils RSS fournis par Madatsara.com

Mobilisation gouvernementale sur les cyclones
Définir les mesures et les actions à entreprendre, face aux passages des deux cyclones Eric et Fanelle suivi d’une descente sur terrain afin de voir de visu la situation et agir en conséquence. Telles sont les deux grandes lignes discutées en  du Conseil de Gouvernement, ce matin, au Palais de Mahazoarivo.Le Chef du Gouvernement a axé ses interventions sur la sensibilisation de la population pendant cette période cyclonique. Il a précisé que le Gouvernement est toujours proche de la population et pour ce faire, effectuera des descentes sur terrain. Après ce Conseil de Gouvernement, le Premier ministre accompagné des ministres de l’Intérieur, de la Sécurité intérieure, des Transports, de l’Agriculture, de la Décentralisation ainsi quelques élus, Parlementaires et responsables techniques a effectué une descente à Ambohimanambola, Akandindratombo, Tanjombato et Fenoarivo afin de voir de visu la situation en cette période de pluie, prendre les mesures adéquates et inciter la population à prendre leur responsabilité, notamment sur la sécurité et la propreté. A partir du 27 janvier 2007, des travaux HIMO seront effectués le long de la rivière Ikopa, à Ambohimanambola, afin d’épargner la plaine dans la commune rurale d’Alasora et ses environs d’une éventuelle inondation.Une antenne de santé sera installé incessamment à Ankadindratombo. Le comité de vigilance sera doté de 10 lampes de poches et de piles. A Fenoarivo Atsimondrano : 90% de la récolte de riz a été ravagée par des grêles, la semaine dernière. La perte est estimée à 560 tonnes de paddy.Ainsi pour venir en aide aux paysans et à toute la population de cette commune, le Gouvernement a offert 10 tonnes de riz blanc, des semences et autres PPN. La Région Analamanga a également  offert 03 tonnes de riz blanc. ___________________   Fijerena ny fepetra horaisina sy hotanterahina avy hatrany, manoloana ny fandalovan’ireo rivodoza roa eto Madagasikara sy ny fidinana ifotony hanaraha-maso akaiky sy hanatanterahana ny fomba rehetra azo atao hampihenana ny fahasahiranan’ny vahoaka sy hifandraisana bebe kokoa amin’izy ireo : ireo no hevidehibe roa nodinihina tao amin’ny filankevitry ny Governemanta notarihin’ny Praiminisitra Charles Rabemananjara, androany maraina teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo. Nambaran’ny Lehiben’ny Governemanta fa mitohy hatrany ny asa ary ezaka atao amin’izao fotoana izao ny fanatevenana ny fanentanana ny vahoaka, hiatrika sy handray andraikitra manoloana ny fiavian’ny loza voajanahary.Nohamafisin’ny Praiminisitra ihany koa fa efa vonona ny Governemanta amin’ny fidinana ifotony hanatanteraka asa maharitra, iarahana amin’ireo tompon’andraikitra sy olom-boafidy any anivon’ny faritra. Taorian’ny Filankevitry ny Governemanta dia nidina avy hatrany tamin’ny toerana maromaro manodidina an’Antananarivo renivohitra, ny Praiminisitra : Alasora-Tanjombato-Fenoarivo.Niara-dia tamin’ny lehiben’ny governemanta tamin’izao fidinana ifotony izao ny Minisitry ny Atitany, ny Minisitry ny Filaminana Anatiny, ny Minisitry ny Fitaterana, ny Minisitry ny Fanapariam-pahefana, ary ny Minisitry Fambolena, olom-boafidy, tompon’andraikitra avy ao amin’ny faritra Analamanga ary tompon’andraikitra teknika vitsivitsy. Nojerena voalohany tamin’izany ny reniranon’Ikopa eny amin’ny faritr’i Ambohimanambola iny. Ho fisorohana ny fiakaran’ny renirano mba tsy hihoarany ny fefiloha izay manasaraka ny lemaka ao amin’ny kôminina Alasora sy ny manodidina dia nandray fepetra avy hatrany ny ao anivon’ny faritra Analamanga sy ny tompon’andraikitra eny an-toerana tarihin’ny Ben’ny tanàna.Koa hatomboka ny 27 janoary ho avy izao ny ny tetikasa asa tàna-maro (HIMO), hanalalahana ny làlana izoran’ny reniranon’ikopa mba tsy hisian’ny fihoarany amin’ny faritra tsy tokony handehanany. Teo Ankadindratombo (kôminina Alasora) : ankoatry ny fanentanana amin’ny fandraisan’ny mponina andraikitra amin’izay rehetra ilàna izany, indrindra amin’izao fotoana fandalovan’ny rivodoza izao, dia nisy ihany koa ny fanentanana amin’ny fahadiovana sy ny fandriampahalemana. Nanolotra «lampe de poche » miisa folo (10) ny avy ao amin’ny faritra Analamanga ho fanampiana ny kôminina Alasora amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana.  Ankoatr’izay, dia hametrahana toeram-pitsaboana vonjimaika ny ao Ankadindratombo.Ho an’ny kôminina Tanjombato, efa tsara omana amin’ny fiavian’ny rivodoza ny rehetra ary efa mahalala ny tokony hatao (mpianatra, ray amandreny, tompon’andraikitra samihafa). Manana vaomiera misahana ny fahasalamana ity kôminina ity ka misy ny fanentanana ny mponina amin’ny fahadiovana sy fiarovana amin’ny trangan’aretina samihafa mety hiseho amin’izao fotoam-pahavaratra izao.Nahazo bicyclettes roa (02) avy amin’ny Ministeran’ny atitany, ny Quartiers Mobiles ao Tanjombato, hanampy azy ireo amin’ny asany araka ny fangatahan’izy ireo. Ho an’ny kôminina Fenoarivo kosa dia nisy avy hatrany ny vahaolana manoloana ny fahasimban’ny  90%n’ny voly vary izay potiky ny havandra, tamin’ny herinandro lasa teo. Novinavinaina ho 560 tonnes any ho any ny vokabary tokony ho azo tamin’izany.Koa efa eny an-toerana ny vary fotsy milanja 03 tonnes avy amin’ny faritra Analamanga, ho an’ireo tokantrano nahasimbana ny voly variny. Nanolotra vary fotsy milanja 10 tonnes ihany koa ny Governemanta ho an’ny vahoaka rehetra, ankoatry ny masomboly sy sakafo hafa toy ny menaka. Ezahina ho tonga amin’ny fotoana farany izay haingana, ireo rehetra ireo.   Hetahetan’ny mponina eny Fenoarivo ny hitondrana vahaolana amin’ ny tsy fahalavorarian’ny tohadrano izay mahatara ny voly ketsan’izy ireo ary tara vokatr’izany ihany koa ny fijinjana azy ka matetika no tratran’ny havandra na tondra-drano ny vary efa masaka. Hojerena avy hatrany ny hamahana io olana io hoy ny minisitra tompon’andraikitra.Ary farany, mbola notohizana teny Fenoarivo ny fanentanana ny tsirairay amin’ny fiatrehana sy fandraisana andraikitra araka ny tandrify ny tsirairay manoloana ny fihavian’ny rivodoza satria “izay tsara fiomanana tsy ho tampohin’ny loza”.
Fils RSS fournis par Madatsara.com

Refonder l'être Malagasy
Le véritable mal qui nous ronge depuis un demi-siècle d'indépendance : une décolonisation inachevée. Ce mal est dans nos têtes, dans nos cœurs, dans nos actes et dans notre univers. Il s'est incrusté dans nos pensées et empoisonne notre culture.

Et si tous ceux qui ont eu en main la destinée de ce pays depuis un demi-siècle ont été les pauvres victimes d’un même mal dont ils n’avaient, et n’ont même pas conscience ? Un mal dont on perçoit les signes avant coureurs chez ceux qui aspirent au pouvoir aujourd’hui avec véhémence, quelques soient leurs promesses d’instaurer la vraie démocratie cette fois ci

Un mal dont, depuis l’indépendance il y cinquante ans bientôt, les éruptions de fièvre ont eu lieu les 01 avril 71, le 13 mai 1972, le 10 août 1991, le 7 février 2009. Ces dates marquent les moments où la foule, forte de ses convictions par ailleurs, a servi de chair à canon des errances politiques.